IZA MOA I
LUCIEN EMMANUEL RANDRIANARIVELO
Efa misy tantarany mameno takila 16 any anaty boky nosoratany “RATANY, MPAMPIANATRA TAO ANATIROVA ARY NY TANTARAN’I MADAGASIKARA”. Ity dia famahavahana ilay famintinana ho takila iray ny tantarany hita eo amin’ny fonon’ny boky “NY FIROSOAN’NY HIRAM-PIANGONANA KRISTIANA – L’EVOLUTION DES HYMNOLOGIES DES EGLISES CHRÉTIENNES À MADAGASCAR” izay nivoaka tamin’ny Septambra 2009. Voafintina ho fizarana efatra (A), (B), (C), (D) izany filazana momba azy izany, ka io ihany no vahavahana sy hitarina eto. Hoy ny voalaza ao: Azo ampitahaina amin’ny Orga misy ambaratonga efatra miantoana fitendrena feo na “claviers” ny fiainan’i Lucien Emmanuel Randrianarivelo.
A. AMBARATONGA VOALOHANY FITENDRENA FEO EO AMIN’NY ORGA.
Ny ambaratonga voalohany fitendrena feo eo amin’ny Orga dia ny “pedal” fitendrena beso amin’ny tongotra. Izany dia ohariny amin’ny fianarana noraisiny teto Madagasikara tamin’ny 1932-1950, izay niafara tamin’ny diplaoma fahazoana mampianatra tamin’ny sekoly fanabeazana fototra. Nitohy tamin’ny fianarana teolojia tany Frantsa sy Soisa izany (1950-1959).
1. Teraka tamin’ny Krismasy 25 Desambra 1925 izy tamin’ny 7.30 ora maraina. - Nianatra teny amin’ny Sekolim-panjakana, ambaratonga fototra eny Ambanidia, Antananarivo II (1932 – 1936). Mpampianatra zaitra teny i Rasoamihako Marie reniny, noho izy maty vady, Randrianarivelo-Ratsitohaina mpampianatra tamin’ny fanjakana. Fony vao telo volana an-kibo Ikely no maty ny rainy; anarana fahakely nentiny, noho izy teraka tsy tonga volana ka kely bitika saika tsy velona; mafy loatra manko ny fahoriana nentin-dreniny fa sady mitondra zaza fito volana an-kibo no maty vady.
2. Nianatra teny amin’ny Ecole officielle de Faravohitra, Antananarivo, ambaratonga fototra ambonimbony kokoa, (1937-1940).
3. Nianatra tao amin’ny Sekolin’ny Mission Protestante Française, Ambohijatovo-Avaratra (1941 – 1945). Ratany raibeny no nandatsaka azy hianatra tao ary tsy nandoa saram-pianarana noho Ratany mpampianatra tamin’ny M.P.F. hatrizay tsy nisy mpanjaka intsony.
- Nahazo ny diplaoma : C.E.P. (8 Jolay 1944), 19 taona izy fony faha-Kolonia vao mba nahalala izany atao hoe C.E.P.
- Afaka C.E.S.D. – Certificat d’Etude du Second Degré (19 Novambra 1944, efa-bolana taorian’ny nahafahany ny C.E.P. –
- Afaka C.A.E. – Certificat d’Aptitude à l’Enseignement dans les Ecoles Primaires à Madagascar (10 Desambra 1945).
4. Nianatra tao amin’ny Sekoly Paul Minault, Ambohijatovo-Avaratra (1946 -1949),
nanomana ny Baccalauréat, nefa natahotra fa nalaza ho kakan’ny mpampianatra vazaha ao amin’ny Lycée Galliéni tsy ho afaka Bac ny mpianatra ao amin’ny Paul Minault, dia nalefan-jokiny lahimatoa, Roger Randrianarivelo, hianatra any Frantsa. Nandeha sambo (4ème Classe) Ferdinand de Lesseps, Avrily 1950.
5. Lycée David d’Anjou, Angers, Frantsa, Avrily 1950 – Jolay 1951. Afaka Bac. 1ère partie, 2ème session Septambra 1950. Afaka Bac 2ème partie, Série Philosophie, 2ème session, 15 Novambra 1951.
6. Octobre 1951 : Niditra nianatra Lettres sy Droit tao Sorbonne ary Teolojia tao amin’ny Faculté de Théologie Protestante, Paris. Tsy arany intsony ny fianarana Lettres sy Droit, fanokafan-tsaina no azony tamin’izany, ka dia ny Teolojia sisa no notanany. Ny hetahetam-pahalalana no betsaka nefa ny taona efa lehibe ihany vao afaka Bac, vokatry ny fanjanahantany, ary ny vola tsy ampy ka tsy maintsy niasa ho mpitaiza kilasimandry (Pion) tao amin’ny Ecole Départementale de Vitry s/ Seine.
- Nandritra ny fianarany tany Paris izy dia nihira tao amin’ny Choeur Philarmonique de Paris izay notarihin’i Sir Edmund Pendleton. Tao no nihirany ny sanganasa klasika goavan-dry J.S. Bach, Handel, Beethoven, Haydn, Mozart, sns… Miaraka amin’ny Orkesitra lehibe pariziana foana izany Choeur izany rehefa manao kaonseritra any amin’ny Salle Pleyel sy ny trano lehibe hafa fanaovana kaonseritra any Paris.
- Nandritra ny fianarany tany izy Paris dia nikarakara ny fiaraha-mivavaky ny Anglikana sy Protestanta, niaraka tamin’ireo Pasitera Protestanta nanohy fianarana tany: Daniel Ralibera, Rajaonarivony Joseph, Rabemanahaka Jean W., Ramilijaona. Marihina fa ny Mompera Gaëtan Armand Razafindratandra izay lasa Kardinaly taty aoriana, no nikarakara ny mpianatra Katolika.
- Nandeha sambo niaraka tamin’ny Fikambanan’ny Mpianatra Jiosy any Paris izy, nanao lasin’asa sy namangy ny Tany Masina, nandritra ny vakansa lehibe 1954; tany amin’ny Kibboutz Eintsourim no nipetraka.
- Afaka nitsoriaka kely izy nandeha sambo 4ème classe nandroso sy niverina, naka rivotra taty Madagasikara, tamin’ny vakansa lehibe 1955.
7. Nitaritarika loatra ny fianarany tany Paris noho izy sady niasa no nianatra ary variana tamin’ny andraikitra betsaka nosahaniny, ka nangataka izy ary nahazo vatsim-pianarana tamin’ny Comité Genêvois pour le Protestantisme Français. Nilaozany i Paris dia nianatra tany amin’ny Faculté Autonome de Théologie Protestante any Genêve, Oktobra 1956 – Febroary 1959. Nandritra ny Semestre Ririnina 1958-1959 dia nianatra tany amin’ny Institut Œcuménique de Bossey, vita fianarana tao dia nahazo ny Certificat d’Etudes (15 Febroary 1959). Herinandro taorian’izany dia nanohana ny Thèse-ny “Le Chrétien et la Politique” ka nahazo ny Licence en Théologie. Nandritra ny nipetrahany tany Soisa dia nihira tao amin’ny Société Sacrée J.S. Bach ao Genêve izy, ary tany amin’ny Chœur des Jeunes de l’Eglise Nationale Vaudoise izay nandehanany fiaran-dàlam-by nanao famerenana isan’Asabotsy tolakandro tany Lausanne. Miaraka amin’ny Orkestra lehibe foana koa ireny Fikambanana Mpihira ireny rehefa manao kaonseritra.
B. AMBARATONGA FAHAROA FITENDRENA FEO EO AMIN’NY ORGA.
(a) FOYER DES JEUNES (Y.M.C.A. – U.C.J.G – F.K.Z.L) ANTSAHAMANITRA Raha mbola namita fianarana tany Soisa izy dia maro ny Fiangonana Protestanta teto an-drenivohitra nandefa fitenenena mialoha naniry azy ho mpitandrina. Nony tonga teto an-toerana izy dia mbola nahazo fangatahana toy izany hatrany. – Raha mbola tany Genêve izy dia naharay fangatahana tamin’ny Foyer Antsahamanitra, hatao Tale hisolo vazaha sy ho Sekretera Jeneralin’ny Y.M.C.A – U.C.J.G. – F.K.Z.L.) eto Madagasikara. Nekeny izany satria ny asan’ny Y.M.C.A. dia mifanojo tsara amin’ny Vocation œcuménique-ny. Anglikana izy eo amin’ny fitaizana ara-panahy nibeazany sy ny fombam-pivavahana, ary voatefy tamin’ny ara-tsaina teo amin’ny sehatra Protestanta. Nifanerasera tsara tamin’ny Foibe Y.M.C.A any Genêve izy alohan’ny hodiany, naka fampianaran-tena tamin’ny fahalalana ny asan’ny Y.M.C.A. Naloan’ny Foyer ny saran-dàlany nody, nandeha sambo Classe touriste (fa tsy 4ème classe intsony). Tonga teto izy tao anatin’ny tondradrano lehibe tamin’ny 29 Marsa 1959, avy hatrany dia nandray ny asany tao amin’ny Akany Antsahamanitra, nisolo ny Pasteur Jean Tissot.
(b) Nanambady an’i Simone Soafara Andriamampianina izy tamin’ny 30 Janoary 1960. Sekretera tao amin’ny Direction Sport et Jeunesse teo Ambondrona i Simone. Efa-dahy ny zanany: Patrick Hanitra manambady an’i Bakoly Esthelle Ravaonirina), John Rija manambady an’i Harinoromanitra Ramanantsoa), Marc Haja manambady an‘i Hanta Vololona Ralay, Simon Njaka manambady an’i Nirina Marie-Lydia Razafindrazato), ary tamin’ny taona 2010 dia 10 no isan’ny zafiny.
Olana tao amin’ny Akany Antsahamanitra: Noheverin’ny Komity Protestanta izay miahy ny Foyer fa Protestanta ny Foyer sy ny asany. Nisy fotoana aza niheverana fa izy no lohan’ny Farimbona Asan’ny Tanora Protestanta. Velona be ny Kermesy fanao isan-taona tamin’ny Alatsinain’ny Pentekosta 1959, izay matimaty tao anatin’ny taona vitsy. Nandefa hevitra izy fa tokony hanaovana Trano lehibe ery atsinanan’ny tany filalaovana tennis ny Foibe Tily fa manalokaloka ny asan’ny F.K.Z.L. ny fisian’io sampana fitaizana tanora goavana io. Dia naely ny hevitra fa mitady handroaka ny Foibe Tily izy. Nandefa hevitra ihany koa izy ny mba hamerenana ny Anglikana ho isan’ny Komity Mpitantana ny Foyer satria ry Rev. J.F. Radley no isan’ny namorona ny Foyer sy ny Skoto teto Madagasikara. Dia naely koa ny hevitra fa mitady hitondra ny Foyer ho Anglikana izy. Navelany hiara-nilomano ny zazalahy sy zazavavy nonomboka tamin’ny Réveillon 31 Desambra 1959, dia naely ny hevitra fa devolibe no mitondra ny ao Antsahamanitra. Nahazo fanampiana 200.000 Fmg tamin’ny fanjakana izy nanaovana taila bakoly ny piscine. Dia naely koa ny hevitra fa Pisodia izy, ny A.K.F.M sy ny P.S.D. no antoko politika lehibe tamin’izany fotoana izany, ary ny A.K.F.M. no nitantana ny Renivohitra Antananarivo. Noho ny fanavaozana ny piscine sy ny fiaraha-milomanon’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy maty antoka intsony ny piscine. Nony tonga ny fivorian’ny Komity Protestanta natao tany Fianarantsoa tao anatin’ny Vakansa lehibe 1959, dia nantsoina izy hanao tatitra teo anoloan’ny Komity. Nony vita ny tatitra nataony dia nody izy, ary nantsoin’ny Komity Protestanta tamin’ny volana Aogositra nilazany fa tsy mifanaraka amin’ny foto-keviny ny Komity, indrindra ny heviny momba ny Ekiomenisma, ka dia alana izy, nomena “préavis” iray volana. Ny Misionera Friends Naish aza dia nilaza taminy teo anatrehan’ny Komity fa tsy mandeha eto Madagasikara izany Ekiomenisma izany. Minoa ianao, ry Ingahy Naish, hoy izy, fa ao anatin’ny iray na roa taona monja dia hiroborobo eto Madagasikara ny Ekiomenisma. Tamin’ny 25 Mey 1962 dia tafatsangana teto Antananarivo ny fikambanana iraisam-pinoana F.T.K.M.M. (Fikambanan’ny Tanora Kristiana Miara-Miasa), ahitana ny tanora maro sy ny mpitondra fivavahana avy amin’ny Fiangonana kristiana, ka isan’izany ny Mompera Gaëtan Armand Razafindratandra, ny Pasitera Rakotoarivony Paul, ny Rev. Bernard Razafimanantsoa. Niafara tamin’ny fananganana ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (F.F.K.M) ny hetsika ekiomenika nirobohany. Nankalazaina sy nambara ampahibemaso izany, tamin’ny fotoam-pivavahana niraisam-pinoana natao tao Isotry Fitiavana, tamin’ny Alahady 20 Janoary 1980.
Nandritra ny fotoana niasany tao amin’ny Akany Antsahamanitra sy nandritra ny fotoana ela taty aoriana, dia nantsoin’ny olona hoe “Pasitera” izy ary sasatra nanitsy ny olona ka nilaza hoe, tsy Pasitera manam-piangonana tandremana sy tsy voapetra-tanana izy fa teolojiana sy mpitoriteny fotsiny ary mpampianatra sy mpanao mozika.
(c) Ny volana Septambra 1960, noraisin’ny Ambasady Amerikana tao Antsahavola izy hiasa ho “Senior Consular Assistant. Io no antsoina hoe: Ambaratonga faharoa fitendrena feo malemy eo amin’ny Orga. Tamin’ny 1960-1985 dia niasa tamin’ny Ambasady Amerikana eto Antananarivo izy. Mila fahaizana teny Anglisy ny fiasana amin’ny fanjakana amerikana.
- Rehefa nonina tany U.S.A. izy (1985-2003) dia nampianatra teny Malagasy tamin’ny olona miteny Anglisy ka ny teny Anglisy no nentiny mampianatra. Ny traikefa azony tamin’izany no nanampy azy tamin’ny fanoratana ny boky:
- “Malagasy Newspaper Reader and Grammar” niaraka tamin’i Thomas P. Jedele, Linguist amerikana, navoakan’ny Dunwoody Press, Kensington, Maryland any U.S.A. tamin’ny taona 1998.
- “Malagasy Grammar in English” (Gramara Malagasy amin’ny fiteny English) navoakan’ny Trano Printy Loterana, Antananarivo tamin’ny Septambra 2009.
C. AMBARATONGA FAHATELO FITENDRENA FEO EO AMIN’NY ORGA.
Nandritra ny taona 1965-1985 izy, dia nitarika ihany koa ny Orkesitra Symfônikan’Antananarivo sy ny “Mpihiran’ny Fiangonana Fito ankoatra ny asany tao amin’ny Ambasady Amerikana, sy ny fitorian-teny tany amin’ny fiangonana tsy manavaka finoana, ny fampianarana Lettres sy Soratra Masina tamin’ny Sekoly, ary ho fampiasana ny talentany tamin’ny fitaizana tanora”. Io fotoana io no ohariny amin’ny ambaratonga fahatelo eo amin’ny “claviers” fitendrena ny orga, antonona amin’ny fitrotroana hiram-pivavahana. Vahavahana toy izao izany fotoana izany:
(a) Nandritra ny sivy taona nianarany tany Andafy, dia vonton’ny mozika klasika izy, nanatevina ny lafika efa azony teto an-tanindrazana sy ny talenta voajanahary nolovaina tamin-dRatany raibeny. Mpitendry orga tao amin’ny Katedraly Anglikana Ambohimanoro izy hatramin’ny taona 1942-1985. Rehefa nihira tany Andafy ny sangan’asa vaventy noforonin’ny ngezalahy teo amin’ny sehatra Tandrefana izy, dia efa nanakotsako azy tao am-pony ny fandikana ireny sangan’asa ireny ho teny Malagasy sy Sol-fa, hahazoan’ny Antoko Mpihira Malagasy mihira azy sy mitaiza ny Malagasy eo amin’ny lafiny kanto. Hianarana daholo, hoy izy, ny taranjam-pahalalana siantifika sy matematika rehetra namolavola ny kolontsaina manerantany, nefa tsy mba atao naman’ny taranjam-pianarana any an-tsekoly ny mozika? Fony faha-mpanjaka dia naman’ny taranja nanabeazana tany an-tsekoly ny fahaizana Sol-fa ho an’izay hihira fotsiny ary ny fahaizana “notes” ho an’izay hitendry zavamaneno. Nony tonga ny Frantsay nanjanaka an’i Madagasikara ka nampihetry ny fari-pahaizana azon’ny Malagasy tsy citoyens frantsay tratrarina (C.E.S.D sy C.A.E), dia voalohany tamin’ny taranjam-pianarana nofoanany ny mozika.
(b) Fitaovana nanaparitahana ny mozika klasika ny niarahany nanangana tamin’ny ny mpitarika maro ny atao hoe “Mpihiran’ny Fiangonana Fito”, avy tamin’ny fiangonana anglikana sy protestanta teto an-drenivohitra (Katedraly St. Laurent Ambohimanoro (Lilia Andohasaha), Hanitry ny Saha, Avaratra-Andohalo, Fiadanana Maritiora, Andrainarivo, Ambodivona-Filadelfia, Avaratra-Anjoma, Ankadifotsy FJKM ary ny Symfônika Ratany izay noforonina mba hahafahan’ny olona rehetra ivelam-piangonana miditra sy mandray anjara. Tao koa ny Amboaram-peon’i Faravohitra, indrindra tamin’ny fotoana nihirana voalohany “Ny Mesia an’i Handel” iray manontolo tamin’ny teny Malagasy (taona 1969). Tamin’ny voaloandohany dia tao koa ny mpihiran’ny fiangonana katolika Antanimena, nefa noho ny asa rehetra nohiraina tamin’ny Sol-fa dia tsy nanavanana azy loatra izany, ka ny firaha-miasa tamin-dry Ratefy mpitarika azy sisa no nifamatoran’ny fo amam-panahy. Maro ny sangan’asa madinika voadika tamin’ny teny Malagasy sy Sol-fa, ny vaventy voatana lisitra dia miisa 46, hita ao amin’ny boky “Ny Firosoan’ny hiram-piangonana kristiana teto Madagasikara” izany, ka ny isan’ny vaventy mahafeno takila amam-polo aman-jatony dia: Ny Mesia an’i G.F. Handel; ny Midera Anao izahay Andriamanitra ô (Dettingen Te Deum) an’i G.F. Handel; Ny Namoronana (La Création) an‘i J. Haydn; ny Kantaty No. 104 Ry Mpiandry ny Israely, an’i J.S. Bach; Ny Nijalian’ny Tompo (Passion) araka an’i Matio sy araka an’i Jaona, an’i J.S,. Bach; Ny foko mankalaza ny Tompo (Magnificat) an’i J.S. Bach; ny Hiram-pandraisana lehibe (Messe en Si mineur) an’i J.S. Bach; ny Redombe famaranana ny Neuvième Symphonie an’i L. van Beethoven; ny Messe en Sol an’i Franz Schubert; ny Grand Mass in C minor, K, 427, an’i W.A. Mozart. Maro ny asa hafa fa ao ny boky voalaza etsy ambony mitahiry ny anarany. Nohiraina niaraka amin’ny Orkesitra Symfônikan’Antananarivo avokoa ireny sangan’asa ireny, Malagasy maro sy Vazaha vitsivitsy avy any amin’ny Ambasady no tao amin’izany Orkesitra izany. Tonga hatrany Toamasina ry zareo, tamin’ny Mey 1971, nanao Kaonseritra sy nanetsiketsika ny Antoko mpihira tany hiroso amin’ny fihirana sangan’asa vaventy. Nandray anjara daholo tamin’ny Orkesitra ny vadiny sy zanany telo lahy lehibe. Ny boky teraka teo amin’ny traikefa azo momba ny fitarihana mozika dia:
- Tari-dàlana ho an’ny Amboarampeo sy ny Mpitarika, nivoaka pirinty tamin’ny Janoary 2005.
(c) Nandray anjara koa izy, teny amin’ny Radio Universitaire sy ny Radiom-pirenena eny Anosy nivaofy ny fomba fihainoana mozika klasika. “Izao tontolo izao sy ny mozika” no anaran’ny programa niarahany nanatontosa tamin’i Soafara Rasolonjatovo, vadin’i Daniel Ramaromisa. “Mozika voavaofy” no anaran’ny programa teny amin’ny Radio Universitaire niarahany nanantontosa tamin’i Fara Ramihakoarisoa, fony Razakaboay Ferdinand no talen’ny Radio teny Ambohitsaina. “Ny hevitra tsy azo tsy amin’ny mozika”, izany indray no anaran’ny programa niarahany nanatontosa teny Anosy tamin’i Gisèle Razafindrakoto ary ny Komitim-pirenena momba ny mozika. Naharitra hatramin’ny taona 1970 – 1975 izany asa fampiasana ny Radio nanaparitahana ny fahalalana ny mozika klasika izany. Nitsahatra tsy nahazo anjara intsony ny mozika klasika tao amin’ny Radio, ny ampitson’ny Revolisiona Sosialista, fa ny mozika mitolona indray no notohanana sy nahazo vahana teny amin’ny Radio. Voahilikilika ireo vehivavy “tompon’ny programa” feno kolontsaina malalaka mikasika ny mozika sy ny zavakanto.
(d) Filoha Lefitra tao amin’ny Komitim-pirenena momba ny mozika izy, izay Rtoa Radaody-Ralarosy Emilie no filohany. Nitondra azy intelo tany Aostralia izany andraikitra izany, noho ny fahaizany miteny anglisy, nanatrika ny Fivoriamben’ny Komity Iraisam-pirenena momba ny mozika. Tamin’ny diany farany (taona 1984) dia niara-dàlana tamin’izy mivady ny Tropy Voninavoko notarihin’i Gabriel Rakotomavo, nanatrika sy nandray anjara tamin’ny Indian Ocean Festival.
Ny kaonseritra sy ny lahatsoratra navoakan’ny gazety momba ireny dia vita sary mameno album maro. Ary ny famoaboasan-kevitra vita an-tsoratra nataony teny amin’ny Radio dia nivoaka boky tamin’ny 2004 mitondra ny anarana hoe “Fitarihana hankafý mozika klasika”.
(e) Teo amin’ny Fiangonana.
Fony mbola nianatra tany Paris izy ka nohosorana ho Eveka Malagasy voalohany tany London ny Rev. Jean Marcel, tamin’ny 11 Jona 1956 dia nikarakara ny fanaingana ny Malagasy tany Frantsa hanatrika izany fotoana iray toa zato izany. Maro no voataona hankany, ka dingana voalohany nisava làlana ny Ekiomenisma any Madagasikara ny fahitana kristiana Malagasy tsy an-kanavaka ara-pinoana nanatrika izany. Rehefa nody tany Madagasikara tamin’ny Marsa 1959, fony ny Eveka Jean Marcel lasa Evekan’ny Diosesin’Antananarivo (1961 – 1974), fa tsy Eveka mpanampy intsony (1956 – 1960) dia voafidin’ny Synoda (22 – 25 Okt. 1969) izy ho Komity Mpanatanteraka ny hevitra lanin’ny Synoda (Kom.Pa.S) niaraka tamin-dry Simon Rabefiringa, Rabefaniraka Joseph, Razafiarivony Théophile, Martin Rakotovao. Voatendry ho Komity Mpifidy Eveka izy fony nahalany ny Rev. Rabenirina Rémi Joseph ho Evekan’ny Diosesy (13 Mey 1984 – 30 Marsa 2008), ary ho Komity mpifidy Eveka tamin’ny nahalany ny Rev. Samoela Jaona Ranarivelo, ho Evekan’ny Diosesy Anglikana Antananarivo, nanomboka tamin’ny …Mey 2008. – Rehefa nitsangana ny F.F.K.M. tamin’ny 20 Janoary 1980, dia Solontena anglikana tao amn’ny Vaomiera momba ny Fiainam-pirenena (Fi.E.Fi.P) izy ary efa Sekretera Jeneralin’ioVaomiera io mandra-pialany teto an-tanindrazana nankany Amerika (1985).
- Nandritra ny fotoana maro mialoha ny fandehanany nakany Etazonia izy dia Filohan’ny Komity Foiben’ny Skotisma eo amin’ny Anglikana (Ko.Fo.Sko.A), ary filohan’ny Komitin-Pivondronana Tily sy Mpanazava, Antoko II, Ambohimanoro (T-2) Antananarivo.
Ny andraikiny teo amin’ny raharaham-piangonana no niteraka ny boky:
- Anglikana Aho, navoakan’ny Tranopirinty Newprint tamin’ny Desambra 2002, ary mitondra ny teny fanolorana nataon’ny Professeur Albert Rakoto Ratsimamanga, sy ny Chanoine Lala Andriamiharisoa.
- Le Chrétien et le Politique, navoakan’ny Newprint tamin’ny Desambra 2002
- Ny Mpitarika Tanora – Ankizy – Skoto Zazalahy sy Zazavavy Kristiana, navoakan’ny Newprint ihany koa tamin’ny Desambra 2002.
- Teolojian’ny Hiram-Piangonana Kristiana, navoakan’ny Tranopirinty FJKM, Imarivolanitra, tamin’ny Jona 2006.
- Tantaran’ny Fiangonana Anglikana eto Madagasikara, navoakan’ny Tranopirinty FJKM tamin’ny Mey 2005.
- Ny Firosoan’ny Hiram-Piangonana Kristiana teto Madagasikara – L’Evolution des Hymnologies des Eglises Chrétiennes à Madagascar, navoakan’ny Tranopirinty Loterana tamin’ny Janoary 2009
- Ny fizarana fahefatra “Ny F.F.K.M miatrika ny ho avy, ao amin’ny boky Kristy Mampihavana Antsika”, fanoratana anjaran’ny Anglikana, nentina ho fanamarihana ny faha-25 taonan’ny F.F.K.M. nivoaka tamin’ny Oktobra 2007. Ny fizarana voalohany dia asan’ny Mompera Ratongavao Charles Raymond (EKAR); ny fizarana faharoa dia asan’ny Pasitera Ramino Paul (FJKM); ny fizarana fahatelo dia asan’ny Pasitera Ramino Paul sy Razafimanjato Roger (Loterana).
(f) Teo amin’ny fiaraha-monina. Raha vao nampiharina, fony faha-Ratsiraka, ny rafitra “VONDROM-BAHOAKA ITSINJARAM-PAHEFANA, dia nirotsaka nofidìna izy, tamin’ny taona 1976, ka lany ho Komity Mpanatanteraky ny Fokontany Ankadibevava-Ratsimandrava, Antananarivo II, teo ambany fanevan’ny Antoko politika Vonjy Iray tsy Mivaky; filohan’ny Vaomieran’ny Famatsiana no andraikitra manokana nomena azy. Nandritra izany fotoana izany koa dia natolotry ny Vonjy Iray Tsy Mivaky hiray lisitra amin’ny A.K.F.M. nofidìna ho Komity Mpanatanteraky ny Fivondronam-Pokontanin’ny Tanànan’Antananarivo. Tsy tonga nivory intsony tao amin’ny Fivondronana izy tato aoriana, nony hitany fa tsy nisy inona mety ho vitany sy hevitra azony ampidirina, manoloana ny A.K.F.M. maro an’isa. Ny boky nateraky ny fisainana politika tao aminy dia:
- Fanangonana ho antonta iray ny hevitra rehetra niseho manodidina ny fotoana Namonoana ny Kolonely Ratsimandrava Richard, 11 Febroary 1975 ka hatreo amin’ny nanombohan’ny fitsarana mikasika iny raharaha iny. - Ary ny fanavaozana tamin’ny Saikintsaina ny bokin’i Paul Ramasindraibe “Ny fokonolona fototry ny firenena”. I Paul Ramasindraibe no filan-dRatsimandrava Richard hevitra momba ny Fokonolona izay nohetsehiny hampiharina fony izy teo amin’ny Governemantan’ny Jeneraly Ramanantsoa. Mbola tsy nisy nivoaka pirinty ireo asany ireo tamin’ny taona 2010, heverina hakambana ho iray, mbola miandry ny fotoana hanontana azy pirinty.
Ny foto-kevitra politikany manoloana ny raharaham-pirenena sy ny fifandraisan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana eo amin’ny fitondram-pirenena, dia miorina ao amin’ny bokiny “Le Chrétien et le Politique: - Kristy tsy tonga nofo hanangana fanjakana tonga lafatra tety ambonin’ny tany, hanohana na hanongana fanjakana izao sy izao. Ny mpitondra tsirairay no itorian’ny Fiangonana teny mba tsy hanompo tompo roa, tsy hanao ny tenany ho Andriamanitra ka hangalatra, hanota, hanao ronono an-tavy, hanarampo amin’ny filan’ny nofo, sns…
D. AMBARATONGA FAHEFATRA FITENDRENA FEO EO AMIN’NY ORGA.
Ny Mozika no tena nahafantarana azy. Efa tao koa ny fahasoavana nomen’Andriamanitra azy tamin’ny fanoratana. Io fotoana sy fanomezam-pahasoavana io no oharina amin’ny ambaratonga fitendrena feo mitrena sy mamirapiratra eo amin’ny orga.
(a) Nandritra ny androm-piainany sy niasany dia tsy nitsahatra nikaroka ary nanangona vakoka voasoratra momba ny tantaran’i Madagasikara. Efa nisy voatahiry tao amin-dRatany raibeny izay mpampianatra ny ho mpitondra fanjakana Malagasy tao Antranovola-Anatirova faha-mpanjaka. Nanatevina izany koa ny naterin’Itkl. Raveloson Georges, Arsivista, tsy tapaka tao aminy, mikasika ny razana sy ny zava-bitan-dRatany teo amin’ny lafiny hira sy mozika. Nony tonga tany Etazonia izy ka niaina tany nandritra ny 19 taona latsaka kely (1985-2003), nahita zava-mahagaga nanampy azy tamin’ny fanoratana: ny Saikintsaina (na Computer-Ordinateur) izany. Nitady toko izy ka nahita vato, afaka nanao fikarohana ela sy betsaka ary nanatevina ny fahalalany momba an’i Madagasikara tao amin’ny tranomboky goavana indrindra eto an-tany, dia ny Library of Congress ao Washington D.C., indrindra fa ny azo notovozina tamin’ny teny anglisy.
(b) Teny kely momba ny antony nandehanany tany Etazonia sy ny nataony tany mba hivelomana. Nomen’ny fanjakana amerikana Permanent Resident Visas izy mianakavy, noho ny asa tsara sy mahafa-po vitany nandritra ny 25 taona niasany. Tsy mora tamin’izy mivady ray aman-dreny ny nanapa-kevitra handao ny tanindrazana sy nanomboka fiainana vaovao tany Etazonia noho ny fiharatsian’ny fiainana ara-politika, ekonomika, ary indrindra teo amin’ny rafitry ny fampianarana izay tena nitotongana tokoa tamin’ireny fotoana ireny. Niala teto Madagasikara izy efa-mianaka sisa tamin’ny 12 Marsa 1985, fa ny roa zokiny efa lasa nianatra tany teo aloha, ary niditra tany Etazonia tamin’ny 18 Marsa 1985. Ramatoa vadiny, iray volana monja taorian’ny nahatongavany tany dia nahazo toerana tao amin’ny Fonds Monétaire International (F.M.I) noho ny traikefa azony fony izy niara-niasa tamin’ny Directeur Général, René Jean-Baptiste, tao amin’ny Solitany Malagasy (SOLIMA). Tsy nijanona ho mpisotro rononon’ny Fanjakana Amerikana fotsiny fa nandia fiainam-baovao indray izy, ary niasa ho Sekretera mpanampy tao amin’ny Fiangonana Loterana ao Bethesda (MD). Avy eo dia nampiasa ny talenta maha-mpampianatra azy, ka nampianatra teny frantsay sy malagasy tamin’ny sekoly fampianarana fitenin-pirenena vitsivitsy, hatrany amin’ny University of Pennsylvania.
(c) Vokatry ny asam-pikarohana tantaran’i Madagasikara tany amin’ny Library of Congress sy ny fanoratana azy tsikelikely dia boky roa no voasoratra tany Amerika, ka niandry ny fiverenany teto Madagasikara vao natonta pirinty:
- Andriantsitohaina XVI Vtra, Ambasadaoron-dRanavalona I, navoakan’ny Nouvelle Imprimerie des Arts Graphiques (N.I.A.G), tamin’ny Mey 2001, misy takila 370, ka Atoa Charles Andriantsitohaina no niantoka ny fanontana azy pirinty.
Ny boky “Andriantsitohaina XVI Vtra”, dia mirakitra ny tantaran’ Madagasikara fony faha-Radama I sy Ranavalona I, indrindra fa ny antony nandefasan-dRanavalona I an’Andriantsitohaina sy ny namany vitsivitsy tany Eoropa tamin’ny 1836-1837, nanazava ny politikan-dRanavalona I manoloana ny fandroahany vazaha sy ny fanidiana an’ i Madagasikara tsy hidiran’ny vahiny sy ny entana avy any ivelany. Raiben’ny raiben’i Lucien Em. Randrianarivelo sy Charles Andriantsitohaina io Ambasadaoro faha-Tany Gasy io, ka izany no nampirisika azy mirahalahy hanoratra sy hamoaka ny boky sady nampiditra ny Tetiaran’ny taranaka midina avy amin’Andriantsitohaina XVI Vtra sy Rasoanavony vadiny.
- Ratany, Mpampianatra tao Anatirova ary ny Tantaran’i Madagasikara, navoakan’ny Tranopirinty New Print eny Ankorondrano-Antananarivo, tamin’ny Septambra 2004, misy takila 1528. Roapolo taona no nanoratana io boky matevina io, mizara ho boky roa, ary tsy natonta pirinty raha tsy tafaverina teto Madagasikara izy tamin’ny volana Oktobra 2003.
Ny boky “Ratany, Mpampianatra tao Anatirova ary ny Tantaran’i Madagasikara”, dia tsy hoe tantaran-dRatany sy ny razana idinany fotsiny, fa tantaran’i Madagasikara mandritra ny androm-pahaveloman-dRatany, indrindra noho ny maha-vavolombelon’ny tantara azy, fony izy mpampianatra ny ho mpitondra fanjakana Malagasy faha-mpanjaka tao Antranovola-Anatirova (1873-1895). Nitohy ny raharaham-pampianarana nivelomany teo amin’ny sahan’ny Misiona Protestanta Fransay (M.P.F.) fony fanjanahan-tany, ka vavolombelon’ny Tantara faha-zanatany koa izy. Mifarana hatreo amin’ny taona 1945 ny tantara satria maty Ratany tamin’ny 4 Febroary 1944, rehefa niaina 87 taona tety an-tany. Mirakitra ny hiran-dRatany voangona voasoratra amin’ny Sol-fa koa izany boky izany ka azon’ny Antoko mpihira rehetra anovozana. Ao koa ny Tetiaran’ny fianakaviana midina avy amin-dRatany sy ny fianakaviana isampanan’ny mpanoratra mivady. Mifarana amin’ny fizarana lehibe mitondra ny lohateny hoe “Ry mpandoro Rova” ny boky, mitantara ny fandoroana an’Anatirova tamin’ny Alatsinainy alina 6 Novamba 1995, andro vody Alahamady tamin’ny andro sy volana 14 Alakarabo. Mialoha ny fizahan-takila dia ahitana ny anaran’ny boky rehetra nampiasainy tany amin’ny Library of Congress, sy ny fampitahana ny fifanindranan-dalan’ny tantaran’i Madagasikara sy ny maneran-tany. Ary koa ny fandalianana ny Kalandrie Malagasy, misy takila 92, miorina amin’ny fanisana andro Malagasy, niantomboka tamin’ny 1 Alahamady 1821 = Zoma 29 Jona 1821, fanisan’andro gregoriana, ka mijanona amin’ny 1 Adizaoza 2050 = 14 Desambra 2050, nefa azo tohizana tsy tapaka rehefa mahay azy.
Ankoatr’ireo boky roa lehibe ireo dia vitan’izy mivady koa ny fanavaozana sy fitendrena tamin’ny Saikintsaina ny Tantaran’ny Andriana nosoratan’i R.P. François Callet. Voarakitra amin’ny CD ny asa vita ary miandry ny vola sy ny fotoana hanaovana azy pirinty sisa amin’izao taona 2010 izao. Azo ampiasaina aloha ny asa raikitra ao amin’ny Saikintsaina hitsongaina tantaran’olona na toerana, ohatra, Tantaran’Ambohimanga. Tantaran’Alasora, Amboatany, sns….
Nivoaka ny boky “Tantaran’i Vonizongo”, natonta pirintin’ny Tranopirinty FJKM, Imarivolanitra tamin’ny Septambra 2008, misy takila 212. - Efa vita CD toy izany koa ny Tantaran’Andriamahazonoro, fa miandry ny hanontana azy pirinty sisa, ary miandry ny Tetiarana avy amin’ny taranany aty Antananarivo sy any Vohipeno.
(d) Fanitsiana ny “Baiboly Malagasy Voalohany”. Hatramin’ny taona 2006 dia isan’ny olona ao amin’ny Vaomiera Mpanitsy ny “Baiboly Malagasy Voalohany”, solontena avy amin’ny Fiangonana Eklesia Episkopaly Malagasy izy. Noraisiny ho lahatr’Andriamanitra ny namangiany ny Tany Masina tamin’ny vakansa lehibe 1954 raha vao enin-taona monja no nitsanganan’ny fanjakanan’Israely (14 Mey 1948). Raikitra an-tsary mameno album iray manokana izany diany izany ary voarakitra an-tsoratra. – Raisiny ho lahatr’Andriamanitra toy izany koa ny nanavaozany ny Gramara Malagasy nosoratan’i W.E. Cousins, izay tonian’ny fanitsiana lehibe ny Baiboly faha-Ranavalona II sy III. Ny Salamo no farany indrindra niandry azy. Vitany tamin’ny 23 Marsa 2010 izany, ka 1815 takila ny fanamarihana rehetra sy fanitsiana vitany tamin’ny Baiboly Malagasy Voalohany, Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao. Ny asa vitany farany tamin’ny Salamo no ampitondraina ity famintinana ny tantaram-piainany ity, miaraka amin’ny sariny eo anilan’ny fitendrena feo amin’ny Orga lehibe.
Ahitana izao fa “fahasoavan-dehibe sy famindrampon’Andriamanitra tokoa no nanaraka azy tamin’ny andro rehetra niainany” (Sal. 23. 6), ka ny Voninahitra dia an’Andriamanitra irery.
Ho fanomezam-boninahitra an-dRandrianarivelo Lucien Emmanuel sy ny zava-bitany teo amin’ny asa soratra sy mozika dia noraisin’ny AKADEMIAM-PIRENENA MALAGASY ho mpikambana ao aminy izy, nanomboka tamin’ny 12 Janoary 1999.
Mamarana eto ny dikany amin’ny teny anglisy ny famintinana ny tantarany, ampitoviana amin’ny ambaratonga efatra fitendrena feo eo amin’orga.
The life of Lucien Emmanuel Randrianarivelo is analogous to a pipe organ fitted out with four keyboard floors on the console:
(a) The bass pedal, first keyboard floor on the organ, is comparable to the education he received in Madagascar from 1932 to 1950. In 1945 he became a certified teacher and taught primary school students in Madagascar. He studied Theology in France and Switzerland from 1950 to 1959.
(b) From 1960 to 1985, he worked for the American Embassy in Antananarivo. This point of his life is similar to the keyboard floor for soft play on the organ. The English language, being required to work as a local employee of the American Government, allowed him to teach Malagasy to English speaking people, using English as teaching language, while he resided in the U.S.A. (1985-2003). His teaching experience provides him the opportunity to compile his ample knowledge in “Malagasy Grammar in English’ and another book titled “Malagasy Newspaper Reader and Grammar,” in cooperation with Thomas P. Jedele, 1998, an American Linguist.
(c) From 1967 to 1985, he was the Conductor of the Antananarivo Symphony Orchestra (ASO) and the Choir of Seven Churches. He sees himself as the keyboard floor for medium intensity of organ play, appropriate to accompany church songs, during this period of his life.
(d) Throughout his life, he constantly researched and studied the history of Madagascar both in Madagascar and the U.S.A. He compares this work to the rumbling and vibrant sound of the organ. We anticipate the time the history books of Lucien Emmanuel Randrianarivelo will become well-known in the Malagasy world.
========================
Tantaran-drainy
Naravon’ny taranany
Ho fankalazana ny faha-50 taonan’ny
fanambadian’ny ray aman-dreniny
RANDRIANARIVELO Lucien Emmnuel
Sy
ANDRIAMAMPIANINA Simone Soafara
Izay nahatratra izany Jobily Volamena izany tamin’ny
30 Janoary 2010
*